Menalamba sy Tanindrazan: ny lasan' i Madagasikara

Raha nahaliana anao ny fihainoana ny fotoanan' ny Diarin' i Madagasikara tao amin' ny Radio-Madagasikara

200 79 75MB

Malagasy Pages [322] Year 1976

Report DMCA / Copyright

DOWNLOAD PDF FILE

Recommend Papers

Menalamba sy Tanindrazan: ny lasan' i Madagasikara

  • 0 0 0
  • Like this paper and download? You can publish your own PDF file online for free in a few minutes! Sign Up
File loading please wait...
Citation preview

J e a n n e

NY

M

E

LASAN'

N

R A S O A N A S Y

I

A

MADAGASIKARA

L

A

M

B

A

S Y

T

A

N

I

N

D

R

A

Z

A

N

A

Jeanne RASOANASY

N y

l a s a n '

• A

i

SY

M a d a g a s i k a r a ,

J A M I M D K . A / A M A /

(NYo ABYr vNATAON' N Y TIA TANINDK,AZANA E R A N ' N Y N O S Y T E O A N E L A N E L A N " N Y T A O N A 1895 SY 1905)

A.***

/• r j

h

',

Ity Boky ity\ dia tsy azp adika; nd alainTtahalca AXaH&mdmdna avy amin' ny tompony.

A

aTalana

» i *^J* '

ii B

M3W*

FANAZ'AVANA

MIALOHA

===s #

#

*

j, Jty fo^y *C dit* natao hampahalalana drazana

malagasy,

nandritra

izahy hoe ny fotoana

ny fotoana

nanaraka •

—*=•

ny tantaran* ireo da nisiari

ny Menalamba

ny fidiran' ny vazaha

teto

taninteto,

amintsika.

Fiantorribohan-javatra ihany izao fitantarana natao izao. ary araka izany dia tsy maintsy misy ny madilana ho 'tefitenina. Fanandramana 'ihany koa izao, ka atolotra anao mpamaky ho saintsairdnao.

Natao

anefa

izao

ainy sy ny fananany

tantara

izao

hahatsiarovana

ary ny maha-izy

ity tanindrazandiompqnana dia nohidiana

tony

taona maro

nifandimby.

ity, satria

amin* ny vatan*

azy

ireo

manontolo

namoy

hanafahana

na ny anaran* izy ireo ny fanadinoina

Jeanne

ny

nandritra

Rasoanasy.

aza, ny

Ny sary rehetra ato anatin' ny Boky, dia avy amin' ny : Tahirin' Andriamatoa Georges Raveloson. Tahirin-tsarin' ny Foiben-Taosarintanin' i Madagasikara. Tahirin-tsarin' ny Service de la Presse — Ministere de reformation. • Tahirin-tsarin' ny Council for World Mission London. • Sary nalain' i Jeanne Rasoanasy sy Rajaonasitera. Fonony : Sary nataon-dRabezandrina Jean Z.

F I Z A H A N - T A K E L A K A I. —

NY M E N A L A M B A : TONTAKELY DRAZANA?

II. —

SA TIA

TANIN-

A D Y TEO A M I N ' N Y M A L A G A S Y S Y N Y F R A N T S A Y

a) Ny ady voalohany sy ny nahatonga azy b) Ny ady farany (1894-1895) d) Ireo fotoan-dehibe teo amin' ny ady farany III. —

19 29 43 57

N Y M E N A L A M B A TETO A F O V O A N - T A N Y

A) AMBOANANA MPIALOHA LALANA TEO AMIN' NY TOLONA

65

a) Ireo mpirahalahy mpandrava tsena b) Ny hasin' ny razana d) Ny ira-panjakana e) Ny namonoana ny misionera Johnson telo mianaka f) Ny fanenjehana ny misionera anglikana Mac Mahon tany Ramainandro g) Ny niafaran' ny Menalamba tao andrefan' Imerina

66 69 73 7-1 76 77

B) TOKO TELO MAHAMASA-NAHANDRO : RABEZAVANA, RABOZAKA, RAINIBETSIMISARAKA

86

1. — RABEZAVANA, ILAY AFO MAVAIVAY TANY AVAR ATR A a) Ny nitarihin-dRabezavana-Ravaikafo ny vahoaka hikomy b) Ireo zava-niseho tsy nampoizin' ny Menalamba d) Ny nandaminan-dRabezavana ny fandehan' ny tolona e) Ny nandefasana an-dRanavalona III tany an-tsesin'any f) Ny faharesen-dRabezavana g) Ny filavoana lefona tao Anatirova h) Ny niafaran-dRabezavana-Ravaikafo i) Rainitavy tao Masokoamena

89 93 102 103 112 116 118 124

1. — RAINIBETSIMISARAKA NAMPIKOY AN' I VAKINANKARATRA SY NY FARITANY TANALA a) Ny 25 mey tao Antsirabe b) Ny nahazoan' ny tafika frantsay an' i Voromahery d) Nilentika ny masoandro niposaka

131 132 135

3. — RABOZAKA, ILAY MASOANDRO MAHAMAY TANY AVARATRA ATSINANANA a) Ny ady nataon-dRabozaka

143

b) Ny nahazoan' ny tafika frantsay ny tobin' i Mampidongy

146

d) Ny nandresen' ny tafika frantsay an-dRabozaka

148

e) Indray andro zoma 1898

150

IV. — N Y T O L O N A N A T A O N ' N Y M E N A L A M B A T A O A M I N ' NY FARITANY SAKALAVA 1. — NY MENALAMBA TAO MEN ABE a) Ny namonoana ireo filoha teny amoron' i Tsiribihina

159

b) Ingereza sy ny tolona notarihiny

163

d) Ny filavoana lefona

167

2. — NY MENALAMBA TAO BEMARAHA SY AMBONGO a) Ny tolona notarihin' i Tsisatray-Monrosy sy Fa toma

176

b) Ny niafaran' ny tolona tao Bemaraha

177

d) Ny Menalamba tao Ambongo

180

3. — NY MENALAMBA TAO MANGOKY SY FIHERENANA a) Ny tolona notarihin' i Tompoimanana

183

b) Ny faharesen' i Tompoimanana sy ny namany

186

V. —

NY MENALAMBA TANY ATSIMO

1. — NY MENALAMBA TAO AMIN' NY BARA

193

a) Ny tolona nataon' ny Menalamba bara

194

b) Ny filavoana lefona

197

d) Ny niafaran' ny tolona tao amin' ny Bara

199

e) Ireo akanga sisa nanamborana

202

2. _ NY TOLONA NATAON' NY MENALAMBA TAO AMIN' NY FARITANY MAHAFALY

204

a) Ny tolona tao atsimom i Onilahy

207

b) Ny ady notarihin-dRefotaka

209

d) Lavo ny andrarezina : Resy Refotaka tamin' ny mey 1902

212

3. — NY TOLONA NATAON' NY TANALA TAO IKONGO

217

a) Indriampanoha sy ny tolom-panafahana an' Ikongo

219

b) Rava ny tolona tao Ikongo

222

4. _ N Y T O L O M - P A H A F A H A N A T A N Y A N D R O Y

224

a) Ny raketa tao Androy talohan' ny taona 1900

225

b) Ny ady nataon' i Tsiseza sy Titsy tao Androy

226

VI. —

N Y N I A F A R A N ' IREO FILOHA M E N A L A M B A

a) Ny masoandro niposaka indray

239

b) Tantely amam-bahona

244

d) Maty vao Ramalala

253

e) Indray 30 oktobra VII. —

1938

260

FAHARESENA M A N G I D Y : N A H O A N A ?

a) Ny faharavan' ny fanjakana malagasy

272

b) Zarazarao hanjakana

277

d) Ny Ramasombazaha nanaiky hanampy ny vazaha

280

FAMARANANA

285

IREO BOKY SY GAZETY NAKANA HEVTTRA

289

SORATRA NOFANTENANA

295

•-•-

.

IREO S A R Y M A N A M P Y N Y S O R A T R A Fitifirana am-pahibemaso

17-18

Baiboly Malagasy voalohany — 1834

25

Taratasy nalefan' i David Jones ho an-dRadama I

33

Radama II

40

.,

Rainilaiarivony manao ny fanamiana maha-praiministra azy

46

Taratasim-pahefana

51

Ambasadaoro malagasy nalefa tany ivelany tamin' ny taona 1882

56

Ranavalona III

60

Rainandriamampandry

67

Taratasy nalefan-dRanavalona III ho an-dRainandriamampandry

71

Miaramila tao amin' ny tafika malagasy

78

Tsangambato ao Arivonimamo

84-85

Rainianjalahy

92

Ny nitifirana an-dRainandriamampandry sy Ratsimamanga

101

Ireo notinrina sy natao sesintany tamin' ny taona 1896 sy 1897

110

Fanafoanana ny fanandevozana teto Madagasikara

119

Rabezavana-Ravaikafo

123

Rainitavy

130

Rainibetsimisaraka sy ny namany

137

Filoha tanala tany Ambohimanga atsimo

-

142

Rabozaka-Ramasoandromahamay

149

Rabozaka sy ny lefiny nandeha nilavo lefona teo Antaninafenina

156

11

Kamamy mbola zaza

165

O d y

175

Fandalovan' ny jeneraly Gallidni tany Ambato

181

Rana sy Tsileza, filoha menalamba tany Midongy atsimo

185

Ramieba, mpanjakan' ny Bara

196

Isambo, filohan' ny Bara lantsantsa

206

Kabary tany Ampotaka (1903)

216

Fiadiana hita tany Androy

223

Ny andian-tafika frantsay hiditra an' Antananarivo

233

Ny fampodiana ny taolambalon-dRainilaiarivony teto an-tanindrazany ..

242

Rainilaiarivony tonga tany Alger tamin' ny 1896

251

Fandevenana ny taolambalon-dRanavalona III (1938) Ranavalona III, endrika hafa Filavoana lefona teo an-drova

12

258-259 „

266 281

S A R I N - T A N Y A S E H O A T O A M I N ' ITY B O K Y ITY 1. — Antsatrana sy Mampidongy, nisy ny tobin-dRabezavana sy Rabozaka

88

2. — Masokoamena namaharan-dRainitavy

125

3. — Voromahery, faritany nofehezin-dRainibetsimisaraka

134

4. — Ny tobin' ny Menalamba tao Menabe

170

5. — Ny toerana namaharan-dRefotaka tao amin' ny faritany mahafaly

214

6. — Ny faritany atsimo nisy ny fanoherana farany indrindra

229

13



F I Z A R A N A V O A L O H A N Y

NY MENALAMBA : TONTAKELY — — — SA TIA T A N I N D R A Z A N A

FITIFIRANA

AM-PAH1BEMAS0

— CI. Georges

RAVELOSON

Izay manohitra rehetra dia notifirina toy izao, ka ny Malagasy mpiray ra ihany no asaina manao ny asa. Nasiana marika maintimainty toy izao eo amin' ny tandrifin' ny toerana hasian' ny basy mba tsy hampivily ny ba!a. Natahotra ihany mantsy ireo mpitifitra, nefa tsy aja-nanda ny baiko.

17

N Y M E N A L A M B A : TONTAKELY SA TIA T A N I N D R A Z A N A ?

Raha ny Menalamba no tenenina dia tsy azo hodian-tsy hita na tsy ho resahina ny andro 30 septambra 1895, nahatafidiran' ny Frantsay teto Antananarivo, rehefa avy nandresy mora foana ny foloalindahy malagasy hatrany Mojanga. Andriba ihany angamba no tena nisehoan' ny ady mafana matoa tavela ao amin' ny fomba fiteny ilay manao hoe : «Tsy nisy mafy ohatran' Andriba». Hatraiza hatraiza, eny fa na hatreo atsinanan' Antananarivo aza, dia vaky nandositra teo anoloan' ireo tafika vazaha eran' ny tanana ila ny Malagasy. Nivarahontsana ny mpanjaka sy ny mpitondra fanjakana rehetra raha vao nandre ny faharesena hatrany hatrany, ary vao mainka koa tsy nisy nahaloa-peo na iray aza rehefa nandre ny fidoboky ny tafondro nitifitra an' Antananarivo, renivohitra. Rehefa nitsangana ny saina fotsy, fanehoana ny faharesena, dia niditra tsy nisy mpanakantsakana hatrao an-drova ny jeneraly Duchesne filohan' ny tafika vazaha. Ny ampitso ihany, ny voalohan' ny volana oktobra 1895, dia voasonia sahady ny fanekena efa vita hatrany an'-dafy nentin' ny jeneraly Duchesne, ary nanao an' i Madagasikara ho tany eo ambany fiarovan' i Frantsa na protectorat, izany hoe ny tompon-tany ihany no hasaina hitondra fanjakana nefa baiko avy amin' ny solontenan' ny Repoblika frantsay no tsy maintsy harahiny. Ady lehibe tokoa io ady farany naharesy ny Malagasy io, nefa tao ireo tsy nino fa nanohitra ny foloalindahy. Inona no naharesy ireo miaramila malagasy an' alina, hoy izy ireo, nefa Frantsay vitsy kely sady efa malazon' ny tazo hatrany Mojanga no nifampitana taminy? Ireo nahatsapa ny fahavoazana dia tsy nanaiky izany faharesena izany ary nivonona hanohitra farany, koa tsy mahagaga raha toa tafatsangana tao Amboanana tao amin' ny faritanin' Arivonimamo tamin' ny volana novambra 1895 sahady ny tafiky ny tia tanindrazana. Tamin' ireo mpitari-tafika tamin' io faritanin' Amboanana io anefa no nahitana ireo mpilalao ody malaza sady natahorana tokoa ary efa mpanao herisetra tamin' ny zavatry ny mponina taloha. Jiolahy mihitsy no nahafantarana azy ireny ary efa napetaka taminy aza ny anarana hoe Menalamba.

19

Ireo jiolahy mpanao an-keriny ireo ve no natao hoe tanindrazana?

Menalamba tia

Tsy maintsy ho jerentsika koa ny fiavian' ny anarana hoe Menalamba izay hiverimbcrina mandritra izao fanadihadiana izao. Tena anarana efa nisy elabe io anarana io. Araka ny fitantarana nataon' ireo ray aman-dreny mpitana ny lovan-tsofina dia nifanatitra ady ny faritany samihafa teto amin' ny nosy ka nifangalatra olona izay navarina ho andevo. Izany mantsy no fidiram-bola lehibe teto amin' ny nosy manontolo na dia somary efa natsahatra kely aza nandritra ny fotoana nanjakan-dRadama rainy. Matetika dia manao andiany mitety faritany mihitsy ireo mpangalatra olona ireo, izay naka ny omby koa. Noho izany dia voatery niambina andro aman' alina ny fokonolona hatraiza hatraiza. Nifamory ny vahoaka handroaka ao amin' ny faritaniny ireo andian-jiolahy tsy mampandry ny tany ireo ka tsy mba mety tafajanona amin' ny toerana iray maharitra ireny olon-dratsy ireny fa nialokaloka tany an-tsaha rehetra tany. Tsy mba afaka nisolo lamba fitafiana koa izy ireny ka noho izany izy tsy tafandry an-tanana izany dia nanjary menan' ny vovoka sy ny loto ny lambany ary izany lambany maloto izany, hono, no nanomezana ho azy ireny ny anarana hoe Menalamba. Alohan' ny hanohizana izao famakafakana momba ny Menalamba izao anefa dia tsara ny manoritra dieny izao fa boky sy tatitra samihafa nataon' ny vazaha no voatery navadibadika. Tsy dia maro loatra ny Malagasy niandany tamin' ny Menalamba ary tsy nihevitra hametraka an-tsoratra izany tantara izany satria naely ny teny fa tokony henjehina andro aman' alina ireo mpikomy amin' ny fitondram-panjakana frantsay. Nisy ihany ireo namela diary, ary isan' ny lehibe indrindra angamba ny nataon-dRabezavana nitantarany ny fiandohan' ny ady tao afovoan-tany notarihny, niaraka tamin' ireo namany akaiky toa an-dRabozaka, nefa tsy nahasahana afa-tsy toerana vitsy ihany izany tantara izany. Tany amin' ny faritany hafa tsy nahitana soratra kosa dia teo ireo lovan-tsofina navelan' ny razana. Voatery nampitahaina tamin' ireo sora-bazaha anefa izy ireny mba hahafahana manondro mazava ny andro na ny taona marina nisehoan' ny tantara. Ireo Malagasy taty aoriana nanao ny tantaram ny Menalamba koa dia nampalahelo fa niandany loatra tamin' ny mpitondra fivavahana kristiana, ka nanao toy ireo vazaha ihany. Tsy azo atao anefa ny manadino fa nitsangana ho fahavalon' ny vazaha eo amin' ny lafiny rehetra, indrindra fa eo amin' ny ara-pivavahana, ny Menalamba tao afovoan-tany, ka izany no antony nandoroany ny trano fiangonana marobe, na katolika, na protestanta, na anglikana, sy namonoany mpitondra fivavahana koa, rehefa vazaha.

20

Raha nahita izany fihetsiky ny tompon-tany izany ireo vazaha ireo dia nilaza fa olona ambany saina sy tsy azo hifampiraharahana ny Menalamba, satria «mpangalatra omby sy mpampihorohoro vahoaka* fotsiny. Misy fanontaniana tsy maintsy ho valiana dieny izao : Moa ve ny andian' ny jiolahy no natao hoe Menalamba koa? Toy izao araka ny fitantaran' i L. Brunet (1) no niseho tao amin' ny Parlemanta frantsay tamin' ny 18 sy 20 Jona 1896, fotoana nandinihina ny tokony na ny tsy tokony hanaovana an' i Madagasikara ho zanatany frantsay : Mandeha tokoa ny resaka momba ny atao hoe fahavalo. Marina fa misy tokoa ny jiolahy, misy ny tontakely mpandroba fananana, misy koa ny Sakalava izay vao mainka mampitombo ny isan' ny mpangalatra manao andiany. Tsarovy anefa fa ao koa ireo Hova tsy manaiky ny hilefitra, ireo izay mikomy, ireo izay manana fiadiana ka tsy menatra ny hampiasa izany aorian' ny ady. Efa nisy tokoa ny fiadiana izay natolotra mba hitoriana ny fiaiken' ny mponina, nefa tsarovy fa fiadiana efa tsy azo ampiasaina intsony ireny. Ny fiadiana mbola tsara sady mbola mandeha, indrindra fa ireo basy anglisy, dia mbola mivezivezy any am-pelatanan' ireo jiolahy ireo ankehitriny. Amin' izao fotoana izao dia toa maherin' ny iray alina ny isan' ireo fahavalo ireo ary tena mahay miady tokoa. Manana basy haingampandeha sy tafondro Gardner izy ireo. Ireo fitaovam-piadiana ireo dia nentin-dRatovelo, governora taloha tany Ambohimarina, any aka : kin' i Diego-Suarez, ary vinanton-dRainandriamampandry. Nisy omby 8 arivo nalain' izy ireo ka nisy fifandonana teo aminy sy teo amin' ny miaramilantsika izay nahafatesana 14. Tsy ao ihany anefa faritany manodidina koa. fikomiana ao amin' ny intsony ny ra mandriaka

no isehoan' ny korontana fa any amin' ny A m n ' izao fotoana izao d a tsy ahitana afa-tsy faritanin' Antsihanaka. Tsy hita ho lazaina ao.

Toy izao kosa no vakin' ny taratasy nalefan' ny sekretera jeneraly ao amin' ny Zanatany ho an' ny Minisitry ny Zanatany tamin' ny 15 jona 1896 : Tsy mitsahatra mitatra ny fikomiana... Afaka fotoana fohy dia ho tratrany avokoa ny faritra ao Imerina manontolo. Ho eo am-pelatanan' ny fahavalo Antananarivo ary angamba voatery tsy maintsy haverina indray mandeha indray ny fakana an' i Madagasikara amin' ny lalan' ny fiadiana, toy izay natao tamin' ny taon-dasa. L. Brunet : L'ccuvre de la France a Madagascar, (Paris 1903.)



21

Toy izany no akon' ny fandehan-draharaha teto amin' ny tanintsika tany ivelany tany, fotoana fohy taorian' ny nahatafidiran' ny tafika frantsay teto. Raha izay voalaza izay no jerena dia nisy karazana roa samihafa ireo natao hoe Jiolahy na Menalamba teto : ny karazany voalohany no nahitana ireo mpangalatra eny an-dalambe, mangorona ny entam-bahoaka sy mamaky trano; ny karazany faharoa kosa no nahitana ireo olona nandray fiadiana handroahana ny vazaha teto. Ity karazany faharoa ity no tena fototry ny fanadihadiana ato amin' ity boky ity, satria ho hitantsika fa natao izay hanaratsiana sy hampitoviana azy amin' ireo mpangalatra sy mpamono olona. Tsy marina anefa ny fiampangana sy fanosoram-potaka azy ireny, satria raha nanafay olona ny Menalamba tia tanindrazana dia ireo olona nitsangana ho fahavalony ka nanampy ny vazaha no nasiany sy nenjehiny ary nataony nitondra faisana tokoa. Ny hetahetam-pon' ireo nanao Menalamba angamba dia mety ho azo fintinina amin' ireto andalan-teny notsongaina tao amin' ny diarin-dRabezavana ireto manao hoe : Tamin' ny 2 alahamady 1896 : Nanao firaisan-kina ny tia tanindrazana satria nalahelo ny orimbaton' ny ombalahibemaso izay namari-bava ity tany ity ho diasan' I la id am a Manjaka rainy sy ny taranany. Ka noho izany dia nalahelo ny tia tanindrazana ka nively rano sy nilefona omby ny olona tao Imandanja, teraky ny 50 lahy sy Ambongabe teraky ny 150 lahy sy Morafeno sy Ambohidronono ary Ambohidratrimo sy Amborompotsy ary Ankerana ary izao no firaisan-kina natao. I. — Raha tsy ny terak' Andrianampoinimerina sy Ilaidama no manjaka amin' ity tany Madagasikara ity dia lavintsika; II. — Raha ny fivavahana no hatao dia lavintsika koa; III. — Raha ny sivilizasiona frantsay no hatao mandroso eto dia lavintsika fa aleo maty manaraka ny Ombalahibemaso, toy izay manompo ny Frantsay ka izay tsy mety manaraka izao firaisankina ataontsika izao dia ny tenany ho vonoina ho faty ary ny fananany ho baboina satria tsy tia ny tanindrazany (1). Hita ao amin' ity teny voalaza tamin' ny fanaovana ny firaisan-kina ity fa tsy vitsy ireo fahavalo tsy maintsy hiadian' ny Menalamba : ny vazaha, ny fivavahana kristiana, ny komity mpamadika tanindrazana ka manampy ny vazaha.

(1) Registre de Rabezavana sur la rebellion qu'il a fait iclater en 1896. Archives nationale 22

Ho hitantsika tokoa fa tsy vitsy ireo vazaha sy mpitondra fivavahana na protestanta, na katolika izay novonoin' ny Menalamba hatraiza hatraiza tao amin' ny manodidina an' Imerina satria ireo tao afovoan-tany no nanao io firaisan-kina voalaza eo io. Be koa no potika ireo trano fivavahana satria nolazain' ny Menalamba fa ny fisian' ny fivavaham-bazaha no nanariana ny nentin-drazana. Andao harahintsika tsirairay ny fandehan' izany fihetseham-bahoaka natao hoe Menalamba izany araka ny fotoana nisehoany tany amin' ny faritany tsirairay avy teto amin' ny nosy. Samy hanana ny endriny mantsy izany ady izany, nefa ny fenitra ho tratrarina dia tokana ihany : fandroahana ny vazaha teto amin' ny tanindrazana. Tetika efa maty paika ny an' ny vazaha ka nahatonga azy hahomby tamin* ny fanaratsiana ny tia tanindrazana teo amin' ny vahoaka izay nanaraka hatrany ny tenin' ny mpitondra tamin' izany fotoana izany, fa tsy mba afaka nifanakalo hevitra taminy akory. Koa raha nokabariana isan-tanana fa ratsy ny Menalamba, mpangalatra ny Menalamba, ho faizana izay miray kopaka aminy dia niampirimpirina ny vahoaka fa tsy sahy nanampy firy, ary tao aza ny nafana fo loatra ka nanenjika azy ireny koa, toy ireo vazaha. Ny Menalamba jiolahy sy ny Menalamba te-hanafaka ny taniny dia nanjary zavatra tokana ihany tao an-tsain' ny vahoaka tamin' ny farany. Ny anarana hoe Menalamba koa dia mety ho avy amin' izao fanazavana nomen' ny P. Malzac (1) izao : «Ny filohan' ny mpikomy sy ny mpitan-tsampy izay nandrebireby vahoaka dia nitafy lamba menamena. Ny nitafiany izany lamba be voninahitra izany dia nanantenany ny fanandratam ny vahoaka azy. Io no nahazoan' izy ireo ny anarana hoe Menalamba. Ny Menalamba rehetra sy ny mpiandany taminy dia nanao felana mangahazo ankandrina. Izany no mariky ny firaisana ka izay tsy nanao izany dia fahavalo». Raha vakiana kosa ny diarin-dRabezavana dia tsy anaran-tokana akory ny anaran' ny Menalamba. Neken' ny mpitolona ho an' ny tanindrazana tokoa ny anarana hoe Menalamba nomena azy, na dia anarana maneso tokoa aza izany tany am-piandohana. Teo koa anefa ireo anarana hafa toy ny hoe Marofelana, avy amin' io felana mangahazo voalaza teo io angamba. Tao koa ny hoe Krirharaka sy Fakofako, araka izao hita ao amin' ity taratasy nosinganina tao amin' io diarin-dRabezavana io : mifarana toy izao ireo taratasy voatana ao amin' io diary io mandrakariva :

(1)P. Malzac : Histoire du royaume Hova. Tananarive (1912).

es. 23

Hoy Ra sy ny Manamboninahitra sy ny Andriambaventy sy ny Marofelana sy ny Krimaraka ary ny Fakofako.

(Izao) Voninahitra

Tsy tokana akory izany ny anarana nahalalana ny Menalamba fa araka izao hita izao dia nisy maromaro izy ireny, nefa ny Menalamba no fandre sy fampiasa matetika. Hahazoana mampiseho ny tsy fandavan' ny mpitolona io anarana hoe Menalamba io dia indro taratasy iray nalaina tao anatin' io DiarindRabezavana io ihany, ary nalefan' ny mpitari-tafika, ka toy izao no vakiny (1): Tompokolahy, Izao no lazaina aminareo. Izahay dia navoakanareo teto hisafo ny tily ka nony niankandrefana izahay dia nahita olona avy any Andrainarivo, ka nadininay izy amin' izay maha-menalamba azy, ka tsy nisy felana tany aminy na betaly na fiadiana fa kofehy no tany aminy dia notananay izy tompoko, ka atao renareo. Tamin' io ady natao tamin' ny vazaha io anefa dia tsy ny vahoaka manontolo akory no nanao Menalamba, fa ny sasany ihany. Ireo tsy mba nandray anjara tamin' ny ady aza no nanjary mpitsongo dian' ny vazaha sy nanoro ny toerana fiafenan' ny Menalamba tato aoriana. Tolona nataon' ny olom-bitsy fotsiny ary ve ny natao hoe adhr ny Menalamba sa ahoana? Tolom-pahafahana tokoa ve sa fiarovana ny tombon-tsoa, araka ny filazan' ireo vazaha? Adinjiolahy sa fiarovan-tanindrazana? Izany no fanontaniana izay kasaina ho valiana ato amin' ity boky ity. Ady no nahatonga ny fisian' ny Menalamba tia tanindrazana, ka ho jerentsika aloha izany. Ho dinihintsika koa ny antony mety ho naharesy ny Malagasy indrindra fa ny tafika arifomba sy nanana fitaovana tsara toy ny foloalindahy tao Imerina. Efa indroa sahady mantsy izao no niadian' ny tafika malagasy sy ny tafika frantsay. Ny ady tamin' ny taona 1894 no farany, ary eto dia averina ny fomba fitenin' ireo ray aman-dreny mitana ny lovan-tsofina manao hoe : «dia izao lasan' ny vazaha izao ny tany».

(\)Registre de Rabezavana sur la ribellion qu'il a fait iclater. — Efa voalaza. 1A

Coll. Council for World BA1BOLY

MALAGASY

VOALOHANY

Mission-Londres

1834

Fikambanana mikarakara ny fivavahana ny London Misionary Society ka tsy mahagaga raha ny Baiboly no isan' ny boky voa'ohany natonta teto. Ity Baiboly hitanareo eto amin' ny sary ity dia isan' ireo natonta voalohany ary isan' ireo voavonjy koa tamin' ny fotoanan ny fanenjehana nataon-dRanavolona remny. Any Londres amin' izao fotoana izao io baiboly efa antitra io, satria araka ny soratra hita dia tamin' ny taona 1834 no nahavitana azy. Lehibe lavitra noho izay Baiboly hita ankehitriny io baiboly voa'ohany izay natonta teto Antananarivo io, sady lehibe izy no mavesatra ary ny taratasy nanaovana azy dia matevina sy maisamaisatra. 25

.

F I Z A R A N A F A H A R O A

.



ADY TEO AMUV NY SY N Y

MALAGASY

FRANTSAY

A D Y T E O A M I N ' N Y M A L A G A S Y SY N Y

FRANTSAY.

Io ady tamin' ny 1894 io no ady farany teo amin' ny Malagasy sy ny vazaha, izany hoe efa nisy talohany. Ny ady voalohany nampifanandrina ny Malagasy sy ny Frantsay dia tamin' ny taona 1883 ary tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny taona 1885, rehefa vita sonia ny fanekena teo amin' ny roa tonta. Tamin' ny ady faharoa kosa dia efa tapa-kevitra haka an' i Madagasikara ho azy mihitsy i Frantsa, ary tsy nandany andro tamin' ny fanaovana sonia fanekena intsony fa tonga dia naka ny fitondrana teto sy nanao ny nosy ho zanataniny tamin' ny 6 aogositra 1896. Raha ny sarin-tanin' izao tontolo izao anefa no jerena dia azo lazaina fa mifanalavitra tsy tokony hifampikasoka akory i Madagasikara sy i Frantsa. Koa ho gaga angamba ianao raha mandre fa momba ny fananan-tany no anton' ny niadian' ny Frantsay hatraty amintsika. Fomba ahoana moa no nahazoan' i Frantsa fahefana nitaky tany taty Madagasikara, nefa izy ary lavitra be ary? Tsy maintsy harahintsika hatrany am-piandohana ny tantara hahazoantsika manazava ny fandehan-draharaha rehetra teto, ka nahatonga ny fifanolanana sy ny ady teo amin' ny Malagasy sy ny Frantsay. a) — Ny ady voalohany sy ny nahatonga azy. Araka ny filazan' ny mpanoratra frantsay dia efa an-jato taona marb nifandimby no nisian' ny disadisa teo amin' ny fanjakana malagasy sy frantsay, ka ny faranan-tany no tena antony. Nilaza tokoa mantsy ny fanjakana frantsay hatramin' ny andro nanjakan' i Louis faha-13 fa ny nosy dia frantsay ka i Frantsa irery no hanana fahefana amin' ny zava-drehetra ao aminy. Fahefana avy taiza moa no nahazoan' i Frantsa midongy ny tanur olona toy izany? Izao angamba no valin-teny azo hasetry io fanontaniana io : Tamin' ny taonjato faha-18 sy faha-19 dia nitombo tokoa ny fahefana nananan' i Frantsa sy Angletera nanerana izao tontolo izao ka izy roa tonta ireo no afaka nizara izao tontolo izao araka izay tiany. Tamin' izany fotoana izany no nakan' ireo firenen-dehibe ireo ny tany nolazainy fa fonenan' ny olon-dia ka nahatonga azy ireo hamoaka izao fanambarana lehibe izao manao

29

hoe : «Raha misy amin' ireo firenen-dehibe ao Eoropa mahita tany misy olon-dia na nosy vaovao ka tanany ny seranana sasany ary asehony fa tiany ny hanana azy dia tonga tompony avy hatrany izy». (1) Araka izany fifanekena natao izany dia tsy nisakana velively ny hakan' i Frantsa ny nosy Madagasikara ny Anglisy tany am-piandohana. Tsy mahagaga koa raha samy naka izay tany tiany ho zanahana ireo firenena roa tonta ireo ary tsy nisy sahy nifampitsikera satria niray tetika. Rehefa tonga teto ny Frantsay dia tany amin' ny morontsiraka no namikirany. Nahitana ny tobiny indrindra indrindra tao amin' ny morontsiraka atsinanana ka izany no nisian' ny anaran' ireo tany novana ho anarana vazaha. Foulepointe ohatra dia Mahavelona no anarany taloha. Ny Nosiborahina no Nosy Sainte-Marie ankehitriny, Sainte-Luce no fantatra tamin' ny anarana hoe Manafiafy fahiny, ary Fort-Dauphin moa araka izany dia nataon' ireo voanjo frantsay ho fialokalofana mandra-pigadon' ny fotoana niadiany tamin' ny tompon-tany, ka naharingana ny maro tamin' izy ireo ary nahatonga ireo sisampaty handositra tatsy La Rdunion. Tamin' io fotoana io koa anefa dia niseho ny fifaninanana teo amin' i Frantsa sy Angletera : Samy firenena matanjaka mantsy izy roa tonta, samy mandroso, samy mamokatra, samy mitady ny tombon-tsoa rehetra ho an' ny mponina ao aminy. Niseho indrindra izany teo amin' ny fihetsika hita teo amin' ny solontena frantsay sy anglisy taty amin' ny ranomasina Indiana. Ny solontena frantsay moa dia nitoby tatsy La Reunion ary tatsy Maurice kosa no nahitana ny solontena anglisy. Tsiahivina fa tamin' ny 1811, taorian' ny ady nampifanandrina azy tamin' i Frantsa, dia azon' i Angletera avokoa ireo nosy anankiroa manakaiky an' i Madagasikara ireo. Nony tonga anefa ny taona 1814 dia nanao fanekena vaovao indray ny Frantsay sy ny Anglisy ary nifanaraka ny roa tonta fa tsy maintsy haverina amin' i Frantsa avokoa ireo tany efa azy tany ivelany rehetra tany hatramin' ny taona 1792. Niseho ny disadisa rehefa voateny ny amin' i Madagasikara, satria nolazain' ny solontena anglisy fa tany momba ny nosy Maurice io, ka tsy isan' ireo haverina amin' i Frantsa. Tsy nanaiky izany hevitra izany ny solontena frantsay tatsy La Reunion, ka nandefa fitarainana tany amin' ny fanjakana foibe tany Paris. Teo indrindra anefa no nampisehoan' ny solontena anglisy hafetsena izay nampivalaketraka ny Frantsay.

(I) P. Malzac : Efa voalaza ny boky nosoratany.

30

Tsy naka an' i Madagasikara ho zanatany anglisy izy, fa nataony izay nifanarahana tamin-dRadama I izay vao niakatra teo amin' ny seza fiandrianana, handimby an' Andrianampoinimerina rainy, ary efa natanjaka ihany teo amin' ny toerana nisy azy tamin' izany fotoana izany. Vetivety dia tonga ny iraka avy atsy Maurice nalefan' i Farquhar, solontena anglisy. Fifanarahana ara-barotra no niantombohan' ny dinika, nitohy tamin' ny fandefasana ny zandrin-dRadama roalahy hianatra tatsy Maurice izany. Tato aoriana dia nazava ny zava-nokendren' ity governora anglisy ity fa ny nahatonga an-dRadama I ho mpanjaka matanjaka sy mahaleotena no nifotorany : nalefa teto ny fitaovana isan-karazany avy atsy Maurice niaraka tamim ny mpampianatra, ka tamin' io fotoana io no nitsanganan' ny tafika malagasy voalohany izay nitondra ny anarana hoe «foloalindahy» sy nanamboarana azy ho mendrika. Tamin' io fotoana io koa no nanomezan' ny Anglisy an-dRadama I ny anarana hoe Mpanjakan' i Madagasikara. Nitohy teny ihany ny fihavanana teo amin-dRadama I sy Farquhar governora anglisy. Notarihina ity mpanjaka malagasy ity hanafoana ny famarinana olona teto amin' ny nosy, ka nody ventiny ny rano nantsakaim ny iraka anglisy, satria tamin' ny volana oktobra 1817 dia efa nivoaka sahady ny didy mandrara ny famarinana olona teto. Betsaka ny fiovana hita teto, na teo amin' ny fitondram-panjakana na koa teo amin' ny fanabeazana. Nisokatra voalohany tao Antananarivo ny sekoly tamin' ny 1820 ka Jones sy Griffiths no iraka nalefan' ny London Misionary Society izay efa nifanaraka tamin' ny fanjakana anglisy. Soritana anefa fa tao Toamasina no nisy ny sekoly voalohany indrindra teto Madagasikara tamin' ny taona 1819, ka Jones sy Bevan no nanokatra azy. Noho ny tazo izay namely ireto vahiny dia vetivety dia rava io sekoly io satria maty Thomas Bevan sy ny vady aman-janany. Maty toy izany koa ny vady aman-janaky David Jones, izay hany sisa velona ka voatery nitsabo tena tatsy amin' ny nosy Maurice aloha. Rehefa nisokatra ny sekoly tao Antananarivo dia Radama sy ny fianakaviany no isan' ireo mpianatra voalohany. Mbola hita ao amin' ny fitehirizana ny rakitry ny ela any Londres ny taratasy iray nalefan-dRadama ho an' ny L.M.S,. ary nangatahany ny hanirahan' io fikambanana io olona aty Madagasikara, tsy hitory ny fivavahana kristiana ihany, fa hampianatra asa tanana ny vahoaka malagasy. Rehefa tonga ireo mpanonta boky tamin' ny 1826 dia isan' ireo natonta voalohany ny Baiboly izay efa nadikan' ireo misionera teo aloha ho amin' ny teny malagasy ary mbola hita ao amin' ny tahirin' ny rakitry ny ela an' ny L.M.S. teo aloha koa ny iray amin' izany baiboly malagasy voalohany izany. Nony maty Radama I ka niakatra teo amin' ny fitondrana Ranavalona I, dia niova ny fandehan-draharaha satria tena tsy tia vahiny mihitsy ity mpanjaka vaovao ity.

Nanomboka teo amin' ny fanjakan-dRanavalona I ny fanenjehana ny kristiana malagasy sy ny vahiny rehetra ary izay zavatra nentin' ireo vahiny ireo dia simba avokoa, ka isan' izany ny boky izay efa maro no voatonta printy. Nisy anefa vazaha anankiroa izay tsy mba nenjehina ary tsy mba voaroaka hiala teto Madagasikara : tsy iza ireo fa Jean Laborde, izay nanampy tokoa ny fanaovan-taozavatra malagasy ary nanangana ozinina tany Mantasoa, sy de Lastelle. Noho ny asa lehibe vitany dia nomen-dRanavalona tany ho azy i Jean Laborde, eny fa na dia efa noraran-dRadama sy Andrianampoinimerina aza izany. Jean Laborde dia frantsay, ka na inona na inona fitiavaca nasehony teto dia tsy maintsy nikendry ny tombon-tsoa tokony ho azon' i Frantsa izy, dia i Frantsa efa voasongon' ny Angletera hatramin' ny fotoana nanjakan-dRadama I. Dia ho fitiavana manokana ny Malagasy ve no nahatonga an' i Jean Laborde hijanona teto sy nanampiany an-dRanavalona tamin' ny fanamboarana zavatra samihafa hatramin' ny savony ka hatramin' ny tafondro? Fantany tsara tokoa ny toe-tsain' ny Malagasy tamin' izany fotoana izany : liam-baovao ary mora nahodina ny lohany teo am-pitazanana ny vokatry ny fikarohana samihafa avy any am-pitan-dranomasina. Rehefa notsapain' i Jean Laborde angamba ny lohan-dRanavalona I ka hitany fa tsy azo nahodina dia nitodika tany amin' ny zanany tsy maintsy handimby toerana azy izy, dia tany amin-dRakotosehondradama izay hiova anarana ho Radama II atsy aoriana. Ity zanaky Ranavalona I ity dia nanampy tokoa ireo olona voahenjika ka tsy vitsy ny kristiana nampisotroina tangena no voavonjiny. Nisy tokoa ny lafy tsarany teo amin' ny toetran' ity zanakandriana. ity, nefa nisy koa lafy ratsiny, satria ny hamoram-pony sy ny fahatsorany dia nahatonga azy ho kilalao teo am-pelatanan' ireo vahiny efa fantsilahy izay hifanerasera aminy. Nahoana ary? Tany amin' ny taona 1854 tany dia nisy teratany frantsay anankiray natao hoe Lambert izay nanana sambo nampitoljy ny morontsiraky Madagasikara tamin' ny tany masombika. Mpanefoefo ity Lambert ity, ka nony tojo fahasahiranana ny tafika nalefan-dRanavalona I tany Fort-Dauphin dia ny sambon' i Lambert no nitondra fanampiana ho azy ireo. Noho izany zava-bitany izany dia tafakatra tao Antananarivo Lambert na dia efa noroahina avokoa aza ireo vahiny rehetra, ary nanjary nifankazatra tamin -dRakoto. Noho ny fipetrahan' i Lambert tao Antananarivo dia tafiditra an-tsokosoko koa ny mpitondra fivavahana katolika, toa an' i mompera Finaz, izay voatery nanafina ny tena anarany ka nilaza azy ho mpanampy an' i Lambert. Ireo vazaha rehetra nifankazatra tamin-dRakotoseheno dia nitarika azy hitodika bebe kokoa amin' i Frantsa, ka ny nanombohany izany dia ny fitaomana ity zanaky Ranavalona ity hanaraka ny fivavahana katolika.

32

&

TARATASY

/e/s?'f?i£* /?WS/T

NALEFAN'

I DAVID (Col. G.

eft &&?

\

ifa?^'

JONES HO AN-DRADAMA

I

Raveloson)

Tamin' ny 8 Desambra 1820 no nanomboka nandray mpianatra hampianariny i David Jones, misloneran' ny L.M.S. Efa teto Madagasikara izy vao nianatra ny teny malagasy ary tamin' ny fahatongavan' ireo misionera ireo koa vao natomboka ny fanoratana ny teny malagasy. Tamin' ny volana Oktobra 1821 dia afaka nanoratra tam'n' ny teny malagasy sahady izy.

33

Rehefa voavolavola tsara ny sain-dRakoto dia nanao fanekena miafina izy niaraka tamin' i Lambert, ka io no fantatra amin' ny anarana hoe Charte Lambert. Vita sonia tamin' ny 25 jona 1855 izany dina izany, ary ho nahatsiravina ny vokany raha tanteraka ny fampiharana azy satria karazan' ny fanolorana an' i Madagasikara manontolo ho an' i Frantsa no dikany. Isan' ireo tombon-tsoa ho azon' ilay fikambanana haorin' i Lambert, raha toa miantoka azy ny fanjakana frantsay, ny fanontana vola sy ny fanarahamaso izany vola izany izay hampiasaina manerana ny nosy, ny fitrandrahana ny harena an-kibon' ny tany rehetra, ny fakana tany lava volo, na firy na firy velarany. Ny tena mahavariana dia ny fandrenesana fa tsy handoa hetra amin' ny entana hafarany na haondrany any ivelany izany fikambanana izany. Voalazan-dRaombana koa fa efa nangataka ny emperora frantsay Rakotosehenondradama handefa tafika hamonjy an' i Madagasikara amin' ny hasiahana tsy manam-paharoa rasehon-dreniny, ary nangatahiny koa ny fanjakana frantsay haka an' i Madagasikara ho tany eo ambany fiarovany na ho protectoraf. Mahagaga fa ny haka an' i Madagasikara ho tany eo ambany fiarovany no tena nokendren' i Frantsa hatramin' ny ela, ka dia ho tonga tao an-tsain' ity zanaka andriana ity tamin' izao ve izany eritreritra izany? Nisavorovoro ny fandehan-draharaha eran-tany tamin' io fotoana io satria samy raikitra tao amin' ny ady tany Crimee ny Frantsay sy ny Anglisy. Raha nampiseho ilay dina tamin' ny emperora i Lambert ary nanamafy fa hiafara amin' ny fahazoan' i Frantsa an' i Madagasikara ny raharaha dia niahotra ity filoha frantsay, satria mety ho ratsy ny fifandraisan' i Angletera amin' i Frantsa, ka dia nirahiny hifampidinika tamin' ny mpi'ondra fanjakana anglisy tany Londres izy. Raha tonga tany anefa izy dia ren' i Ellis ny raharaha, ka nilomay ity iraky ny fanjakana anglisy efa niasa ela teto Madagasikara ity niverina ary nitantara tamin-dRanavalona I ny nataon-janany. Noroahin-dRanavalona avokoa rehefa mety ho vahiny tamim ny volana jolay 1857, raha vao nandre ity famadihana azy ity izy. Nony niamboho Ranavalona I tamin' ny taona 1861, ka niakatra teo amin' ny fitondrana Radama, dia niseho ny olana satria ireo mpiara-miasa taminy dia nangataka ny hanafoanana ilay dina Lambert, izay efa nentina nosoniavin' ny emperoran' i Frantsa, tany Paris. Tsy afaka nanome fahafahampo ho an' ireo manodidina azy Radama II, satria fantany tsara fa teo am-pelatanan' ny Frantsay ny tenany noho ilay fangatahana tafika tany amin' ny fanjakana tany Paris, fangatahana izay miafina tokoa. Tsy nety tapa-kevitra Radama II, ka hany heriny dia nanary dia tamin' ny lalao samihafa niaraka tamin' ny Menamaso sakaizany. Izany tsy firaharahany ny fitondrana izany dia hisarika fahavalo' marobe ho azy, ka niseho endrika izany fanoherana azy izany tamin' ny fihanaky ny aretina iray, dia ny ramanenjana.

34

Fanomanana sahady ny fahafatesan-dRadama II io .aretina hafahafa io, satria nijerena izay fihetsika rasehony. Ny omaly tsy niova ihany no teo, ka notaperin' ireo fahavalony ny androm-piainan' ity mpanjaka tanora ity tamin' ny 12 mey 1863, ary naleviny an-tsokosoko teny Ilafy izy, ka nokosehina tsy ho isan' ireo mpanjaka nitondra ny tany mihitsy nandritra ny taona maro nifandimby. Rabodo izay niova anarana ho Rasoherina no nandimby ity vadiny teo amin' ny seza fiandriarana. Nifanaraka tamin-dRainivoninahitriony praiministra sy Rainilaiarivony rahalahiny, filoha ambony teo amin' ny tafika, ity mpanjaka vaovao ity fa izy mirahalahy no ho mpitondra ny fanjakana, izy dimbin' Andr'anampoinimerina kosa ho endriky ny fiandrianana ihany. Vetivety foana dia namoaka didy henjana momba ny fananan-tany Rasoherina, didy izay nanaitra tokoa ny vazaha. Tsy zava-baovao anefa izany satria efa hatramin' ny ela no nandavan' ny fanjakana malagasy ny fananan' ny vahiny tany teto amin' ity nosy ity : Andrianampoinimerina dia voalohan' ny nilaza fa ny «ranomasina no valamparihiny». Radama rainy dia nilaza mazava fa tsy hamoy tany ho an' ny vahiny na oviana na oviana. Ranavalona reniny dia nifikitra tamin' izany hevitra izany, koa tsy nihanona tamin' ny fisakanana ny vazaha teo amin' ny fananany tany teto amin' ity nosy ity, fa nandroaka azy ireny mihitsy hiala teto. Saingy Radama II zanany kosa dia nanome fahalalahana be dia be ho ho an' ny vahiny ary tamin' ny farany aza izy dia nanolotra an' i Madagasikara ho zanahin' i Frantsa mihitsy, araka ilay Charte Lambert. Ny zavatra voalohany nataon' ny fanjakana vaovao dia ny nanafoana ilay fanekena nifanaovan-dRadama II tamin' i Frantsa sy ny firenen-kafa ary isan' ny rava koa ny dina Lambert. Nihantona tao anatin' ny indray mipi-maso izany ny fanantenan' ny Frantsay hahazo an' i Madagasikara maimaimpoana ary nihasihasy foana i Lambert sy ny namany rehefa tonga teto Madagasikara, niaraka tamin' ilay fanekena efa vita sonian' ny emperora tany Frantsa. Tsy tantin' ny Frantsay mihitsy io fanafoanana ny fanekena sy ny Charte Lambert io, ka nitadiavany hevitra hiverenana teto indray. Teraka tamin' ny taona 1863 taorian' ny fahafatesan-dRadama ny disadisa hitarika ny ady eo amin' ny Malagasy sy ny Frantsay taona vitsy taty aoriana. Tsy hivalampatra loatra amin' ny zava-niseho teo amin' ny Malagasy sy y Frantsay isika, nefa misy ny tsy maintsy soritana manokana eto bahafahana manaraka tsara ny tantara ary koa hahafahana mitsara na rariny na tsia ny nanapoahan' ny fanjakana frantsay ady tamintsika sy ny fiakaran' ny vazaha hatrao Antananarivo tamin' ny taona 1895, ka nahatarka ny fiforonan' ny Menalamba, fototry izao fanadihadiana atao izao. n

35

Soritana eto aloha fa efa niomana ny hiakatra hanatanteraka izay voalaza tao amin' ny fanekena vita soman' ny mpanjaka Radama II sy ny emperora frantsay i Lambert sy ny namany raha nandre ny vaovao manafoana ny asa saika hataony. Azo an-tsaina angamba ny fihetseham-pon' izy ireo sy ny an' izay naniry indrindra ny hananan' i Frantsa an' i Madagasikara ho zanataniny. Teraka ny disadisa ka nandefa iraka tao Antananarivo ny manamboninahitra ao amin' ny tafika an-dranomasina frantsay, Dupre, izay nisolo tena ny emperora frantsay tamin' ny famolavolana ilay fanekena niarahana nanao sonia tamin-dRadama II. Nasainy nisafidy ny fanjakana malagasy na nanaiky ny Asian' ilay fanekena nataon' i Lambert sy Radama II ary efa nankatoavin' ny filoham-panjakana frantsay, na handa azy io ka hizaka ny vokany. Mazava amin' izany fa raha fandavana no hasetrin' ny Malagasy io fanekena io dia tsy ma'ntsy hiipoaka ny ady. Fandavana anefa no nasetrin' ny fanjakana tao Antananarivo izany ka niaraka tamin' izay dia nasain' ny solontenany teto an-toerana namonjy ny morontsiraka akaiky azy avy ny teratany frantsay. Tsy ho ela dia hipoaka ny tafondro sy ny basy eo amin' ny Malagasy sy ny Frantsay. Niomana tamin' ny ady tokoa ny teto an-toerana, ka tao anatin' ny fanaovana matso sy fanamafisana ny toeram-pamaharana tany amorontsiraka no nanosorana an dRasoherimanjaka ho mpanjakan' i Madagasikara, tamin' ny faran' ny volana aogositra 1863. Tsy hadinoina mantsy fa endriky ny tanindrazana ny dimbin' Andrianampoinimerina ary tena nilaina mihitsy izany fahitan' ny maro azy izany amin' ny fotoana isehoan' ny fahasahiranana lehibe toy ny ady. Nisy anefa fahadisoam-panantenana lehibe teo amin' ny fifandraisan' ny Malagasy sy ny Anglisy izay noheverina nandritra ny fotoana ela fa havana any Dilambato afaka hamonjy amin' ny fotoana hisehoan' ny fahasahiranana. Raha niomana araka izay azony natao mantsy ny fanjakana malagasy ho amin' ny ady tsy maintsy hipoaka dia nandefa taratasy ho an' ny mpanjaka sy ny fanjakana tarihiny ny solontena anglisy atsy amin' ny nosy Maurice, nilaza tamin' izy ireo fa raha misy izay ady mipoaka eo amin' i Madagasikara sy i Frantsa, dia tsy afaka mampanantena fanampiana ho an' ny Malagasy mihitsy ny Anglisy, na kely aza. Na teo aza anefa izany fitsoaham ireo sakaiza natao ho mahatoky izany dia efa tongotra mby an-dakana ny an' ny Malagasy, ka tsy afaka niverin-dalana intsony. Nipoaka ny tafondro tany Toamasina, nefa vetivety dia nangina satria araka ny hevitry Jean Laborde solontena frantsay teto Madagasikara tamm' izay fotoana izay dia tsy anjaran' ny tafika frantsay ny mandray andraikitra amin' ny fanapoahana ny ady fa tsy maintsy miandry baiko avy any amin' ny fanjakana foibe izy ireo. Noho ny fitsaharan' ny ady tampoka tamin' ny 1863 dia velon' eritreritra ny mpitondra tet6 an-toerana ka mba hialana amin' ny ahiahy tsy hihavanana dia nandefa iraka nankany Frantsa ny fanjakana malagasy.

36

Valin-teny hentitra no nomen' ny fanjakana frantsay ho an' ireto iraka malagasy, dia ny fandoavana aminy onitra noho ny tsy fanarahan' ny Malagasy ny fanekena efa vita sonia. Navesatra tokoa io onitra io, nefa neken' ny mpanjaka Rasoherimanjaka ny fandoavana azy, ka izy sy ny fianakaviany ary olona ambony teo amin' ny fitondrana no hanefa azy io manontolo. Saika nisy olana ihany koa ny fanolorana ilay vola onitra tamin' ny solontena frantsay tany Toamasina satria tsy nanaiky ny hanome ny vola ireo iraka malagasy raha tsy naverina taminy ilay dina Lambert, namehy an' i Madagasikara amin' i Frantsa. Tsy teo am-pelatanan' ny Frantsay tonga haka ilay onitra io dina io, ka voatery nalaina tany Frantsa, ary nodorana am-pahibemaso izy io, rehefa voatolotra ny vola rehetra takalony. Toa azo heverina fa hilamina ny fifandraisan' i Madagasikara amin' i Frantsa. Tsy haharitra ela anefa izany, satria tamin' ny taona 1883 dia nipoaka ny ady teo amin' ny roa tonta. Ny nahatonga ny ady tamin' ity indray mitoraka ity dia ny lovan' i Jean Laborde. Araka ny didim-panjakana nivoaka tamin' ny 29 martsa 1881 dia «ts> azo hamidy, na hatao antoka afa-tsy amin' ny teratany malagasy ihany ny tany eto Madagasikara. Izay tratra mandika izany lalana izany dia ho gadrana mandra-pahafatiny ary raha izany no miseho dia tsy haverina akory ny volan" ilay mpividy na ilay nanaiky ny antoka, raha toa angatahiny, ary ny tany dia hiverina ho fananam-panjakana izay hany tompony». Fotoana fohy taorian' ny nivoahan' io didy io dia nividy tany tamin' ireo mpandova an' i Jean Laborde ny misiona katolika, izay vahiny no betsaka tao anatiny. Rehefa nampiharina anefa ny lalana dia teraka ny fifamaliana, satria ny mpandova dia nilaza fa tsy tokony hitsabaka amin' izao raharaha izao ny fanjakana malagasy. Tsy nijanona teto Madagasikara ny raharaha fa tonga hatrany am-pototsofin' ny fanjakana frantsay tany Paris, izay nangataka ny hahazoan' ny teratany frantsay mividy tany sy hanorim-ponenana eto Madagasikara. Nihenjana anefa ny praiministra Rainilaiarivony sy ireo mpiararniasa taminy ka tsy nanaiky mihitsy ny hanomezana tany ho an' ny vahiny teto, na iza izy na iza, ary nampahafantariny koa fa tsy nataony angovy akory io tany lova navelan' i Jean Laborde io, satria nanolotra vola izy hamoizan' ireo mpandova ny tany izay tsy maintsy haverina amin' ny fanjakana malagasy. Tsy nijanona teo amin' ny taranaky Jean Laborde irery intsony ny raharaha fa tonga dia nitsabaka tamin' izany ny iraky ny fanjakana frantsay. Mba hahafahana mandamina ny raharaha satria efa niditra an-tsehatra ny fanjakana fran*say dia nandefa solontena indray hankany Eoropa ny praiministra Rainilaiarivony, solontena izay notarihin-dRavoninahitriniarivo, ministry ny raharaham-bahiny malagasy. Azo lazaina anefa fa efa nipoaka mihitsy ny ady teto vao niala ireo iraka malagasy ireo satria efa azon' ny tafika frantsay ny tananam i Mojanga nito37

bian' ny tafika notarihin-dRamambazafy, ka dia namaharany. Avy tao andrefana ny sambo frantsay dia niantsinanana indray ka nitifitra tamin' ny tafondro ny tao amin' ny morontsiraka atsinanana, ka isan' ny voa mafy tokoa Fenoarivo, Ivondro ary Mahombo sy Foulepointe. Rehefa tafaverira teto Madagasikara Ravoninahitriniarivo sy ny namany dia fiomanana amin' ny ady no novantaniny satria efa tonga taty ny feo milaza ny tsy fahombiazan' ny dinika teo amin' ny solontena malagasy sy frantsay. Tsy ela akory taorian' izao dia nifampitana sahady ny sambo frantsay sy anglisy izay nanampy ny Malagasy ihany. Nisy olana niseho teo amin' ny roa tonta, taorian' izao fifardonana izao ka nahatonga ny amiraly Pierre izay nibaiko ny sambo frantsay hody haingana tany Frantsa. Inona kosa no fihe'sika nasehon' ny fanjakana malagasy teo anoloan' izao fanafihina ny taniny izao? Nisy fetrany tokoa ny fiaretana satria na dia nanan-kevitra hanohitra aza ny fanjakana malagasy dia voatery nilefitra noho ny antony maro. Azo lazaina ho isan' izany antony izany ny tsy fahatafidiran' ny entana tao amin' ny seranan' i Toamasina, satria nitoby teo ny andian-tsambo frantsay. Ankoatry izany dia nisy ny fahasahiranana lehibe vokatry ny valan' aretina namely ny nosy. Taloha kelin' ny nipoahan' ny ady, tamin' ny 1878, dia nandalo lalantsarotra ny mponina samihafa teto Madagasikara satria nisy tazo mahery nandripaka ny tao Vonizongo ka nahazo ny faritanin' Andringitra. Araka ny filazan' ny misionera anglisy Moss dia «nahatratra roa arivo teo no maty teo amin' ny tanana 18 tao amin' ny faritra iray tao Andringitra, ka tamin' ny farany dia tsy nisy mpandevina intsony ny faty fa niampatrampatra eran' ny lalambe tao an-tanana». (1) Mbola niverina indray io tazo mahery io tamin' ny 1879, ary mbola nahery noho ilay tamin' ny taon-dasa. Azo lazaina, hoy ihany io misionera io, fa an-jatony maro ny isan' ny maty isan-tanana. Hoy koa i Peill (2) : «Nanjary nomena toerana lehibe ny ody ka samy nikaroka izay fomba hahasitranany ny tsirairay. Niverina indray ny herin' ireo mpimasy samihafa». Afa-tsy izany aretina nandripaka ny vahoaka izany, tsy miditra firy intsony ny vola eo amin' ny tsirairay, satria efa nitsahatra koa ny fivarotana andevo tany ivelany noho ny tsy fisian' ny seranana hamarinana azy ireny.

(1) Moss : — Report for 1879

School for oriental and african studies

(2) Peill : — Ten years review (1870-1880) archives — London. 38

Nanampy trotraka izany fahasahiranana izany koa ny disadisa teo amin' ny fitondrana satria nanakinka ny solontenam-panjakana ny mponina, araka izao voalazan' i T.T. Mathews izao :» (1) «Tamin' ny taona 1880 dia azo lazaina fa simba tanteraka mihitsy ny faritanin' i Vonizongo. Nitombo be dia be ny asa maloto isan-karazany satria nampiseho fanamparam-pahefana tsy nisy toa azy ireo solontenam-panjakana. Noteren' izy ireo hanao miaramila avokoa na dia vao zaza aza ary ny olo-mahantra kosa dia nasainy naka vovo-bolamena ho azy. Amin' izany ireo solontenam-panjakana ireo dia nanao hosoka ka nampiasa taratasy sandoka nisy ny sonian' ny Praiministra». Noho ny fahasahiranana teto an-toerana dia nanaiky hifampiraharaha tamin' ny Frantsay ny Praiministra ka tonga tany Toamasina ireo iraka malagasy notarihin-dRainandriamampandry. Nihaona ny roa tonta tamin' ny 24 novambra 1883, ka nangatahin' ny solontena frantsay ny hanoloran' ny Malagasy ho an' i Frantsa ny tapany avaratra amin' i Madagasikara sy ny fanomezana tany In an' ny Frantsay rehetra monina eto ary ny fandoavana onitra iray tapitrisa (tamin' izany fotoana izany) ho an' ny fanjakana frantsay. Samy nolavin' ny tao amin' ny fanjakana foibe anefa izany fangatahana izany ka rava ny dinika. Nitifitra ny tao amin' ny morontsiraka atsinanana ny sambo frantsay, rehefa nahazo baiko avy any Paris taorian' ny fivorian' ny Parlemanta frantsay izay nilaza ny tokony hiarovana ny zon' ny teratany frantsay monina aty Madagasikara. Nifampitana tokoa ny roa tonta nefa resin' ny Malagasy ny vahiny, noho ny herim-po lehibe nananan' ny filohan' ny tafika malagasy tao Toamasina dia i Rainandriamampandry. Voatery nifanaraka tamin' ny Malagasy ny Frantsay, ka natao sonia teny ambonin' ny sambo Naiade ny fanekena tamin' ny 27 desambra 1885. Rainizanamanga sy Digby Willoughby no nisolo tena ny fanjakana malagasy. Ny amiraly Miot sy ny ministra Patrimonio kosa no an' ny fanjakana frantsay. Tapaka tao amin' izany fanekena izany fa ny governemantan' ny Repoblika frantsay no hisolo tena an' i Madagasikara eo amin' ny fifandraisany amin' ny firenena any ivelany ary ny rezida hapetraky ny Frantsay hanara-maso ny raharahan' i Madagasikara any ivelany dia tsy hahazo hitsabaka amin' ny raharahan-tokantranon' ny fanjakana. Nisy andininy dimy ambin' ny folo io fanekena io, nefa fandrika mivelatra ho an' ny fanjakana malagasy, satria na dia voalaza aza fa mitovy vidy ny teny malagasy sy ny teny frantsay, ny hevitra tsy itovizana sy ny fandraisana azy dia tsy hampaharitra io fehim-pihavanana manify dia manify io.

(1)7.7*. Mathews : Ten years review of Vonizongo and Ambatonakanga district report Report to the L.M.S. School for oriental african studies Archives — London. 39

r

RADAMA

II (Sary nataon' i W. Ellis) Col. C. Raveloson

Rakotosehenondradama no nanfary Radama 11, nony niamboho Ranavalona renlny. Nisokatra tamin' ny vahiny ny vavahad'n' i Madagasikara, ary diso nisokatra loatra aza, ka nahatonga ireo manodidina an' ity mpanjaka vaovao ity hanoh'tra azy. Niafara tamin' ny famonoana an-dRadama II izany fanoherana azy izany, indrindra noho ny fahafantarana ny fisian' ilay Dina Lambert izay manolotra ny Nosy manonto'o ho an' i Frantsa. Na'evina an-tsokosoko teny Ilafy izy ary ny anarany dia novonoina tsy ho isan' ireo nanjaka mihitsy. Misy milaza anefa fa tsy maty akory Radama II, taorian' io famonoana azy io, ka afaka nandositra tany amin' ny faritany andrefan i Madagasikara. 40

Tsy naharitra ela tokoa ny fahavitan' io fehim-pihavanana io dia nitranga ny olana. Rainilaiarivony dia nino fa ny raharaha ifanaovan' i Madagasikara rehetra amin' ny firenena any ivelany, ka any ivelan' i Madagasikara no handinihina azy, dia azon' ny Frantsay karakaraina. Nihevitra koa izy fa afaka hisafidy ka hanana zo malalaka hifanatona amin' ny firenena tiany. Ho hitantsika anefa fa hikatona moramora eo amin' ny fanjakana malagasy ny vahohon' ny fanjanahan-tany ka tsy ho afaka hitraka intsony izay tafiditra ao. Nampiseho fahamalinana ihany Rainilaiarivony ka mba hialana amin' ny ahiahy tsy hihavanana dia nampanao taratasy misy fanazavana ny fanekena an' i Miot sy Patrimonio, solontena frantsay, izy. Vita tokoa izany fanazavana fanampiny izany, ka faly ny Praiministra. Tsy fantany kosa fa tsy mba nalefa niaraka tamin' ilay taratasy nisy ny tena fanekena io fanazavana fanampiny io ary araka izany dia tsy natolotra ho dinihin' ny Parlemanta frantsay. Rehefa tsy voatolotra ny Parlemanta tany Paris io taratasy fanampiny nataon' i Miot sy Patrimonio io dia tsy hisy vidiny, ka hagagana niaro fahakiviana tanteraka no nianjady tamin' ny Praiministra raha nandre izany, taona vitsy taty aoriana. Nony vita mantsy ny fanaovana sonia ilay fanekena tamin' ny 17 desambra 1885, dia nandefa an' i Le Myre de Vilers hampanoa izany taty Madagasikara ny fanjakana frantsay. Tsara tokoa ny fifandraisana tamin' ny voalohany, nefa vetivety dia tonga ny rahona mainty hiteraka oram-baratra nahatonga ny ady farany teto. Noho ny trosa tsy maintsy efain' ny fanjakana malagasy amin' ny Frantsay dia nampiantso mpanam-bola anglisy iray teto ny praiministra. Raha vao nandre ny fahatongavan' i Kingdon (izany no anaran' io mpanam-bola anglisy io) ny solontena frantsay dia nitsivalana ary nilaza tamin' ny praiministra fa tsy azony hatao izany fa mandika ilay fanekena satria tsy maintsy ny solontena frantsay no mikarakara. ny raharaha rehetra ifanaovan' i Madagasikara amin' ny any velany. Taitra Rainilaiarivony nandre izany ka namoaka ho hitan' i Le Myre de Vilers ilay fanampim-panazavana nataon' i Miot sy Patrimonio. Nambaran' ity solontena frantsay anefa fa tsy mbola hitan' ny masony mihitsy ity taratasy fanampiny ity ary noho izy io tsy natolotra ho eken' ny Parlemanta frantsay dia tsy manan-kery, fa ilay fanekena efa vita ihany no harahina. Toy ny novakiam-baratra Rainilaiarivony sy ny fanjakana manontolo nandre izany valin-teny izany ary i Kingdon izay tokony hitady vola ho samborin' ny fanjakana malagasy dia tsy nahita mangirana tany amin' ny tranom-bola natoniny. Efa nanao fampielezan-kevitra hatraiza hatraiza mantsy ny gazety frantsay tamin' izany fotoana izany ary nampahafantatra ny be sy ny maro fa tsy misy vidiny eo imason' ny fanjakana frantsay mihitsy ny fanekena nifanaovan' i Kingdon sy ny praiministra malagasy. Voatery nindram-bola tao amin* ny Comptoir d'Escompte, tranom-bola frantsay, Rainilaiarivony na dia lafo be aza ny zana-bola nalaina taminy. Vita soma tamin' ny volana desambra 1886

41

ny fanekena nifanaovan' ny praiministra sy ny Comptoir d'Escompte ary nanomboka teo dia tsy nananan' ny fanjakana malagasy fahefana intsony ny seranana teto satria nandoavana io trosa io ny haba rehetra. Tsy hitsahatra eo anefa ny fahagagan' ny Praiministra satria ho hitany fa nanao vazaha mody miady fotsiny ny Frantsay sy ny Anglisy, ary ho tsapany fa tsy hatakalon' ny Anglisy ny Malagasy akory ny fihavanany amin' ny Frantsay, eny fa na dia mpirafy aza ireo firenena roa tonta ireo nandritra ny taona maro. Azo an-tsaina angamba ny fahagagana sy ny hakiviana nianjady tamin' ny fanjakana malagasy raha nandre ny fisian' ny fanekena nifanaovan' i Frantsa sy Angletera izy tamin' ny 5 aogositra 1890. Araka io fanekena io dia samy namariparitra ny tany tiany ho zanahana ny Anglisy sy ny Frantsay. Voalaza tao amin' izany fanekena izany fa natolotry Frantsa ho an' ny govememanta anglisy ny tanin' i Zanzibar ary nomen' ny Anglisy hanjakan' ny Frantsay kosa ny nosy Madagasikara ary ekeny ry maha-protectorat frantsay azy. Teo Rainilaiarivony vao nahita fa hay notsiratsirain' ny firenena anglisy, izay sakaiza nitokisany hatrizay izy. Teo koa izy vao nahatsapa ny fahadisoany satria tsy nampoiziny fa afaka nifanaraka ihany ireo firenena anankiroa izay efa niady matetika, ka hamely ambadika toy izao. Efa vonona haka ny nosy Madagasikara ny Frantsay tamin' ny taona 1894 satria fantany ny tombon-tsoa rehetra ho azony eto araka ny tatitra samihafa efa teo am-pelatanany nandritra ny taona maro nifandimby. Efa tamin' ny taona 1845 no nahitana izao volavolan-kevitra manaraka izao natolotry ny solombavambahoaka iray ho an' ny Filan-kevitry ny Zanatany (Conseil Colonial) ny amin' ny tokony handraisana an' i Madagasikara ho tany frantsay : (1) Moa ve zava-dehibe ho an' i Frantsa ny fakana an' i Madagasikara ho zanataniny? Raha jerena ny toerana misy io nosy io eo amin' ny sarintanin' izao tontolo izao dia hita fa manana seranana tsara toerana mihitsy izy io ao amin' ny tapany avaratra, hatreo Vohemar ka hatrany amin' ny Cap Saint-Andr6. Momba ny ara-barotra dia h : tondra zava-dehibe tokoa ny fahazoan' i Frantsa an' i Madagasikara satria ho hita vetivety ny vokatry ny fisasarana. Hahitana mpividy entana miisa roa na telo tapitrisa mantsy ao amin' io nosy io, ary izy ireo dia tena mankasitraka tokoa ny entana avy aty Eoropa. Raha tafapetraka ao Madagasikara i Frantsa dia ho afaka nifampitana amin' ny Anglisy amin' iny faritry ny Oseana Indiana iny. Raha tafapetraka ao Madagasikara ny Frantsay, dia tsy hisy firenena hafa, na iray aza, afaka handroaka azy tao. (1)L. Brunet : Efa voalaza ny boky nosoratany. 42 i

Na ny olona na ny vokatra dia samy hita ao Madagasikara avokoa. Tamin' io taona 1894 io dia tafaverina niasa teto indray Le Myre de Vilers rehefa nifindra tany Frantsa nandritra ny taona vitsivitsy. Izy no nitondra volavolam-panekena iray avy tamin' ny fanjakana frantsay hatolotra ny fanjakana malagasy. Mbola ireo hevitra efa navoakany teo aloha ihany no tao amin' io taratasy nentin' i Le Myre de Vilers io, ka hita tao ny momba ny fifandraisan' i Madagasikara amin' ny any ivelany, ny raharahan' ny tany, ary voalaza mazava ao koa fa tsy maintsy hierana ny solontena frantsay na rezida amin' ny fandaminana rehetra hatao momba ireo zavatra ireo. Nomen' ity rezida frantsay ity fe-potoana hanekeny ilay volavolam-panekena ny fanjakana malagasy ary nampahafantariny azy fa raha tsy tonga ny valin-teny ao anatin' ny roa na telo andro dia tsy maintsy hipoaka ny ady. Tsy nety hanome valin-teny ny fanjakana malagasy, ka tamin' ny 27 oktobra 1894 dia nesorin' i Le Myre de Vilers ny saina frantsay tao Antananarivo ary nomeny baiko ny teratany frantsay rehetra hamonjy ny morontsiraka akaiky azy hiondrana amin' ny sambo nitondra azy ireo lavitra ny nosy. Alohan' ny hanapoahana n ^ a d y anefa dia tsy maintsy nierana ny Parlemanta frantsay, ka tamin' ny volana novambra 1894 no nitsangana teo anoloan' ireo solombavambahoaka frantsay ny ministry ny raharaham-bahiny izay nanazava ny fandehan-draharaha taty Madagasikara. Nangataka vola 65 tapitrisa farantsa izy satria izany no noheveriny fa ho ampy hamatsiana ireo miaramila 1.500 izay halefa hiady amin' ny tafika malagasy. Tamin* ity fivoriana tamin' ny taona 1894 ity dia efa nahazo mpanohana maro ny hevitra efa naposaky ny mpitondra fivavahana anankiray manao hoe : «Tsy maintsy hiakarana Antananarivo renivohitra». Tapaka tao amin' izany fivorian' ny Parlemanta izany fa ny jeneraly Duchesne no hitarika ireo miaramila frantsay hanafika aty amintsika. Izany hevitra notapahin' ny Parlemanta frantsay ny tafika an-dranomasina frantsay izay efa nitoby manamorona an' i Madagasikara. Raha vao tonga rafitra ny ady tamin' ny volana desambra 1894. Io

izany fotsiny no nandrasan' teny amin' ny ranomasina ny teny avy any Paris dia no ho ady farany.

b) _ Ny Ady Farany. (1894-1895) Ny 12 desambra 1894 no andro voalohany nipoahan' ny ady teto satria tamin' io andro io no nanomboka nitifitra tamin' ny tafondro ny tananan' i Toamasina ny sambo mpiady frantsay nobaikoan' ny komanda Bienaime. Rainandriamampandry no lehiben' ny tafika tao Toamasina tamin' io fotoana io, nefa azon' ny Frantsay am-pitaka izy ka voatery nilomay niaraka tamin' 43

ny miaramilany lavitra ny toby nisy azy. Azon' ny Frantsay mora foana i Toamasina, ka rehefa nahazo toera-malemy hanorenam-pangady tao izy ireo dia nianavaratra indray ny sambo frantsay ka nifandimby azony ireo toerana namaharan' ny tafika malagasy : Bekaraoka, Antongombato, Antanamitarana, Ambohimarina. Teo anelanelan' ny volana desambra 1894 sy avrily 1895 no nahazoan' ny vazaha ireo toeram-pamaharana ireo. Rehefa re tao Antananarivo fa resy ny miaramila malagasy tao Mojanga tamin' ny volana janoary 1895 dia nanao kabary lehibe tao Andohalo ny Andriamanjaka nanao hoe : Fantatrareo ry Ambanilanitra fa ny tany rehetra dia voazaran' Andriamanitra samy hanana ny azy. Ity tany ity dia foin' Andriamanitra ho an' ny razako, ka navelany tamiko, ary izay maha-fanjakana tokana azy dia ny firaisan-kina teo amin' ny razako sy ny razanareo, ka nandry ny tany amam-panjakana. Fa avy ankehitriny ny Frantsay mitady haka ny tany, ka lazaiko aminareo ambanilanitra. Vehivavy no nanaovan' Andriamanitra ahy, kanefa raha misy haka ity tany ity dia mitsangana hiaro azy aho miaraka aminareo. Tsy hariantsika ny soa nomen' Andriamanitra antsika ary tsy havelantsika ny fikelezan' ain' ny razantsika. Tsy mba mananika ny an' olona isika fa ny antsika no hanihin' olona, koa mahereza fa aza matahotra ary miraisa hina hiaro ity tany ity... (1). Taitra tamin' izany kabary nampihetsi-po izany ny vahoaka ka vonona hanao manda tehezana hiaro ny tanindrazana. Nisy kosa anefa ireo tsy mba rototra loatra ka nahatonga ny famoahana didy henjana tokoa nampandoro velona izay rehetra tratra mitsoaka an-daharana na miamboho adidy, satria ny fiarovana ny tanindrazana dia tsy andraikitry ny olom-bitsy fa an' ny vahoaka manontolo mihitsy. Ny tena nanaitra indrindra tamin' izao vonjy rano vaky izao dia ny tsy firaikana firy nasehon' ireo mpitari-tafika. Nahagaga fa na dia efa tamin' ny volana janoary aza no re fa azon' ny Frantsay i Mojanga dia tsy niainga avy tao Antananarivo ny andian-tafika fanampiny hamonjy io tanana io raha tsy tamin' ny 14 martsa, efa roa volana taty aoriana. Andriantavy no nitarika azy ireo ary tsy tonga tany Mojanga izy ireo raha tsy tamin' ny faran' ny volana mey, izany hoe efa nahazo toerana tsara tao amin' io tanana io ny vazaha ka efa nanomana ny fiakarany hankao Antananarivo. Nifampitana ny teratany sy ny vahiny tao Marovoay, nefa resy ny antsika tamin' ny 2 mey 1895.

(1) P. Malzac : Efa voalaza ny boky nosoratany. 44

Nanohy ny diany niantsinanana nankao Antananarivo ihany ny miaramila frantsay ka tao Maevatanana no nifandona tamin' ny miaramila malagasy, izay notarihin-dRamasombazaha sy Andriantavy izy. Nisaritaka ny fiarovan-tenan' ny Malagasy, ka na dia nanohitra araka izay azony natao aza izy ireo dia voatery nihemotra hatrao Tsarasaotra. Nanohitra araka izay tratry ny ainy koa Rainianjalahy, nefa nony tonga tokoa ny fifanjevoana dia nihemotra ny miaramila malagasy. Ny tena ady farany sady mafy indrindra natrehin' ny Malagasy angamba dia izay niseho tao Andriba ka nahatonga ilay fiteny hoe : «Tsy misy mafy ohatran' Andriba* ho tavela mandraka ankehitriny. Niandry ny tafika frantsay tao amin' io tanana io Rainianjalahy sy ny miaramilany. Volana aogositra 1895 tamin' izay. Nanao izay ho afany tokoa ity filohan' ny tafika malagasy ity, nampian' ny manamboninahitra anglisy iray, ny jeneraly Graves, izay nampianatra ny miaramila malagasy. Resy anefa izy ireo tamin' ny 21 aogositra 1895, rehefa nifampitana naharitra tamin' ny andiantafika fahavalo. Taorian' io faharesena io d'a re fa nandao an' i Madagasikara tamin' ny 27 septambra 1895 ny jeneraly Graves, ary tsy nisy nahita akory ny fandehanany. Nony vita ny tao Andriba dia nalalaka ny lalana. Tsy nisy intsony ny mpanakantsakana ka dia nizotra mora hatrao Antananarivo renivohitra ny dian' ireo miaramila frantsay vitsivitsy. Nahoana kosa ary no naharesen' izy ireo ny tafika malagasy izay maro an' isa sady nanam-pitaovana? Andao ho topaza-maso kely ny fitantarana nataon' ny tandapa iray izay niaina sy nanatri-maso ny fandehan-draharaha rehetra teny an-dapa tamin' izany fotoana izany. (1) Nony tamin' ny volana mey 1895 dia namely tao Mojanga ny tafika frantsay. Notendrena Andriantavy manamboninahitra teo atsinanan' Andohalo nitondra ny miaramila. Namely mafy, nefa tsy nahomby izy. Nony tato aoriana d : a notendrena Rasanjy 14 voninahitra sy Razanakombana 14 voninahitra hitondra miaramila. Raha vao tonga teny amin' ny toby izy ireo dia ren' ny jeneraly Duchesne, fa Rasanjy no iraky ny andriana tonga ao an-toby, dia nampiantso azy sy Razanakombana izy. Nasainy nanatona azy izy roalahy ka dia niala tamin' ny toby izy tamin' ny misasaka alina ho eny aminy. Raha vao tonga teny izy dia be ny vazaha frantsay fantany teto Antananarivo, dia ry Jully, ry Lacaze, ary vazaha maro hafa. (1) Tantara tamin' ny andron' ny fanjakana malagasy. Coll. G. Raveloson. 45

RAINILAIARIVONY,

(CI. G. Raveloson)

Rainilaiarivony, praiministra malagasy nandritra ny telopolo taona, amin' ny fitafiana mianjaika. Mpanjaka telo no nanankina taminy ny andraikitra rehetra momba ny fitondram-panjakana : Rasoherina, Ranavalona II, Ranavalona III Al8me f0t am f hy taorian „y*oT? ; ° ° ' W nandefasana azy sesltany tamin' ny 1896, tany amin io zanatany frantsay io... il! 46

Dia niteny ny jeneraly Duchesne ka nanao hoe : «Nahoana ianareo no mitondra miaramila nefa secretaires no raharahanareo, ka tsy mahalala ny fomban' ny miaramila?* Niteny Rasanjy fa tendrin' ny mpanjaka izao. «Ilazao ny mpanjaka, hoy ny jeneraly Duchesne, fa raha manaiky ny hatao protectorat i Madagasikara dia hajanonay ny ady». Dia lasa izy roalahy ho eny amin' ny tobiny. Nony maraina andro alakamisy dia nanoratra ho an' ny mpanjaka sy Rainilaiarivony izy hilaza izany. Raha vao tonga tao Anatirova ny taratasy dia novakiana ka nikotaba ny tao fa tsy manaiky. Dia roso ny miaramila vazaha ka niala teo amin' ny tobiny tao Andriba Rasanjy sy Razanakombana, fa rava ny miaramila ary izy roalahy dia niakatra niery tao amin' ny tranon-dRasanjy tao Faravohitra, ary Rainimakola nitondra ny fiadiana be dia be tao Andohalo ka gaga ny vahoaka. Nony tonga ny volana septambra 1895 dia tsinjo teny Sabotsy Namehana ny vazaha, ka nihazo an' Ambohimailala. Vetivety dia tonga tao Andraisoro izy ireo. Namely ihany ny miaramila malagasy, nefa tsy nahaleo ka vetivety dia tonga teny Ambohidempona ny vazaha tamin' ny 9 ora maraina, ny 30 septambra. Dia tafondro tafondro Namely

nalahatra tao Anatirova, tao atsinanan' ny Trano Masina ny ary ny vazaha eny Ambohidempona dia namely tamin' ny «Rabefaniraka», ka tsy tonga teny fa latsaka tao Volosarika. indray izy dia tonga teny nefa tsy nisy antony.

Vetivety foana taorian' izao dia namely ny vazaha, ka be no maty. Nasiany indray ka nahavoa ny zoron' i Manjakamiadana avaratra. Maro koa no maty teo. Nony tamin' ny farany dia nasiany indray tao Tsarahafatra, fitoeran' ny mpanjaka ka nirehitra ny trano ary ny mpanjaka dia nankao Manjakamiadana dia rava ny miaramila ary ny olona nandositra. Dia nalefa Rabibisoa nitondra ny saina fotsy ho eny amin' ny jeneraly Duchesne. Raha vao niala tao Anatirova izy ka voatsangana ny saina fotsy teo Manjakamiadana dia nitsahatra ny ady. Vetivety foana taorian' izany, afaka ora vitsivitsy foana dia indro niakatra an' Ambanidia ary avy ao Amparihy (Ankadinaridriana) ny miaramila vazaha. Nony tonga teo Anatirova avaratra izy dia natsangany teo ny saina frantsay ary dia nesoriny ny basy sy ny miaramila malagasy sisa teo.

47

Ary ny mpanjaka niditra tao amin' ny trano fiangonana. Nony hariva dia niverina tao Tsarahafatra izy. Tamin' izay dia nohodidin' ny miaramila vazaha ny rova. Nilaza ny kolonely Gerard fa mila sakafo ka raha tsy hanome dia namely izahay, hoy izy. Ka dia navoaka avokoa ny hanina am-bifotsy sy ny fisotro notanterina tao Anatirova avaratra avy tao Manampisoa ary dia nisaina ny lehilahy. Tsy nisy afa-tsy 50 no sisa tavela. Ny ampitso 1 oktobra 1895 dia nentin' ny kolonely Gerard ny taratasy fanekena ny maha-«protectorat» an' i Madagasikara. Nony tamin' ny 15 oktobra 1895 dia nalefany ho ~ny amin' ny taniny eny Tsarasaotra Rainilaiarivony, praiministra, ary Rainitsimbazafy no nasolony azy. Ary nony tamin' ny 22 novambra 1895, andro fandroan' ny mpanjaka, dia nalefany Ratelifera sy Rabetokotany nitondra ny taratasin' ny jeneraly Duchesne ho eny Tsarasaotra hilaza tamim ny Praiministra Rainilaiarivony fa halefa any Algerie izy. Tamin' ny 6 febroary 1896 no niala tao Tsarasaotra Rainilaiarivony mba halefa any Algerie. Mifameno amin' izay voalaza teo izay koa ity fitantarana notsimponina tao amin' ny diarin' ny tandapa iray hafa izay nanatri-maso ny fandehan-draharaha tao an-drova ity ka toy izao no filazany azy : (1) Tamin' ny volana martsa 1895 dia nanapa-kevitra ny governemanta frantsay fa haka an' i Madagasikara na ho «protectorat» na ho «colonie». Koa nifampiraharaha tamin' ny sambo anglisy ny Frantsay nitondra miaramila senegaly sy fiadiana. Hatrany Mojanga dia tsy nisy ady sarotra sy mafy afa-tsy tao Andriba. Nanaraka an' i Mahitsy, Ambohidratrimo, ny tafika frantsay. Tsy voatohina noho ny tifitra an-tafondro variraraka nataony izy ireo. Nanaraka ny tendrombohitra tao Andriantany iny izy. Teo Sabotsy Namehana no nisy ny tobhr ny miaramilantsika, ka nohenjehin' ny Frantsay. Maro no nivarina nandositra teo amin' ny reniranon' i Mamba, ka nanao zahatra nasarona ny lohany, fa ny vatabeny difotry ny rano. Ilay filoha nitarika azy teo aza dia voan' ny pneumonie ka notsaboina teny amin' ny hopitalin' i Soavinandriana. Ny tafondro dia nariany teo amin' ny reniranon' i Mamba. Teo Ambatobe, sy Soamanandrariny koa dia nisy miaramilantsika raininolona sy kadetra maromaro. (1) Diarin-dRaomandahy, Coll. S. Rajaonera.

48

Rehefa nodarofan' ny Frantsay tamin' iny Ankatso iny dia niparitaka namonjy aina avokoa ny olona. Tao no nivarina niankandrefana. tao ny nanao tari-dositra niantsinanana hatrany Ambohipeno aza. Nanorina ny tafondrony tao Ambohidempona, Andrainarivo ary Ankatso ny miaramila frantsay. Norarafany tifitra variraraka ny rova sy Antananarivo. Be ihany no maty ary nisy trano may aza, teo an-drova teo. Ilay trano avo amin' ilay tilikambo avaratra ao dia misy mitriatra mandraka ankehitriny. Ny miaramila dia be nanavotra aina ka mandositra ary nivarimbarina an' Ampamarinana iny. Ny tafondro navelany teo. Ny fiadiana azony dia nentiny nofaohiny avokoa. Nandritra io ady tamin' ny 30 septambra io dia ripaka be ihany ny vahoaka. Ny andriamanjaka sy ny praiministra ary ny tandapa sy ny sakaizan' andriana sy ny mpitandrina sasantsasany dia tao Tsarahafatra. Ny mpanjaka nitafy lamba somizo efa kotsan-dranomaso, nitomany. Ny ministra sy ireo tandapa maina tsy nahitan-teny. Dia nanapa-kevitra ny andriana fa aleo manoratra amin' ny jeneraly mba hitsaharan' ny tifitra fa misahotaka ny ambanilanitra ary dia hatsangana ny saina fotsy. Nefa, hoy Rainilaiarivony, hoe : «Alohan' ny hananganana ny saina fotsy dia aoka aloha hatao ny hiran' ny tanindrazana ary hisy hitari-bavaka koa aorian' izay». Ary dia novakiana ny tonon-kira hoe: Madagasikara tanindrazanay Efa voazara ka anjaranay Foinao Zanahary ho an-drazanay Lahi-janahary mba ho lovanay.

Madagasikara zara-taninay Nosy voazara eto ho anay Vady, tena, aina, tsy mba foy tokoa Zanaka malala, sombhr aina koa.

Madagasikara tena lova soa Eto no anjara taninay tokoa Ianao Jehovah no efa nanome Tompo tsy miova, ka mba mamonje.

Madagasikara ilevenanay Paradisa tsara no hodianay Na ho fatin-tsento tsy afoy ity Raha maty eo mody ho ary.

Dia nitari-bavaka Andrianaivoravelona, mpitandrina. Ny praiministra sy ireo tandapa nanoratra ny taratasy ho entin-dRabibisoa ary dia nosoniavin' ny mpanjaka io. Dia niantso ny deka madinika izy hananika an' i Manjakamiadana. Rainitahina sy Rainijaona Rakotolahy no nanangana ny saina fotsy tamin' izay. Dia nalefa Rabibisoa, mpandika tenin' ny praiministra, nitondra ny taratasy sy nilanja ny saina fotsy. Niaraka teo telo na efa-dahy izy, ho eny Ambohidempona nisy ny filohan' ny tafika frantsay.

49

Tamin' ny 3 hariva dia niato ny tifi-tafondro rehefa nomen' ny jeneraly Duchesne baiko hajanona izany. Nanome baiko ireto iraka izy, izay nilazany fa tsy maintsy miverina any an-drova izy ireo ary tsy maintsy mitampody indray rehefa afaka adiny iray latsaka fahefany, raha ela indrindra, miaraka amin' ny solontena manampahefana kokoa fa na tiana na tsy tiana tsy maintsy tompon' Antananarivo ny Frantsay amin' io andro io. Talohan' ny fotoana nomen' ny jeneraly Duchesne hoe «ao anatnr ny adiny iray latsaka fahefany dia tsy maintsy tafaverina eto aminay ianareo», dia indreny tonga teny ny zanaky ny praiministra, ny ministry ny raharaham-bahiny ary Rabibisoa mpandika teny sy ny bara koa. Nilaza ireo iraka ireo fa amin' ny anaran' ny governemanta malagasy dia ekeny ny hakan' ny tafika frantsay avy hatrany ny tananan" Antananarivo. Nolazainy koa amin' ny anaran' ny governemanta malagasy fa tsy hisy intsony ny ady. Fa ny mahagaga dia ity, hoy ihany ilay mpitantara : Mbola tsy tafaverina akory ny iraka fanindroany nalefa teny Andrainarivo eo amin' ny 5 ora eo angaha dia iny nisy manamboninahitra frantsay nitaingin-tsoavaly fotsy nijaridina teo an-tokotanin' i Manjakamiadana. Niditra eo amin' ny vavahadin' ny rova ao atsimo izy ary nisy koa andian' ny miaramila an-tongotra notarihin' ny manamboninahitra an-tsoavaly nijanona teo atsimon-drova teo Tsy nisy nihetsika ny tao an-drova fa nangina toy ny nivoaham-paty ary nisy nitsoaka tany atsimon-trano aza nandrotsa-dranomaso. Eo vao nolazain' ny jeneraly Duchesne tamin' ireo iraka manko fa nalefany ny jeneraly Metzinger miaraka amin' ny miaramila, ka raha nisy nanakantsakana azy ireny, hoy izy, dia ho dorako daholo ny tanana iray manontolo. Ny ampitso 1 oktobra 1895 dia niakatra an' Antananarivo ny jeneraly Duchesne sy ny jeneraly Voyron, niaraka tamin' ny miaramila maromaro ary tao Andohalo no nitobiany. Ny manamboninahitra hafa kosa dia tao amin' ny tranon* ny Consulat frantsay tao Andohalo ihany, eo atsinanan' ny katedraly katolika, eo amin* ny trano kotona efa naoriny tamin' ny 15 aogositra 1895. Nasaina nihofahofa teo ny saina frantsay tamin' ny 9 ora maraina. Teo amin' ny 1 ora antoandro dia ireny ny solontenan' ny mpanjaka tao amin' ny tranon' ny solontena frantsay. Ny fanekena izay nosoniavin' izy ireo dia nekena ka dia nasaina nosoniavin' ny mpanjaka ny androtry io. Efa tamin' ny 8 ora alina vao tafaverina tao amin' ny «r6sidence» voalaza teo ny iraka avy any Anatirova. Eo amin* ny famerenana ny fiadiana no nisy olana fa basy kelikely ihany no hitan' ny Frantsay napetraky ny Malagasy ho eo ampelatanany. Voalaza fa nentin* ny miaramila nanaraka azy avokoa

50

.jAr,?fastm

- /ifAfjJrw

//Mj/w*///J/?/